«

»

Août 02 2019

Print this Article

EKIPAM-PIRENENA MALAGASY TARANJA BASKET-BALL NIBATA NY MEDALY VOLAMENA TATSY MAORISY, TONGA NITSIDIKA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

EKIPAM-PIRENENA MALAGASY TARANJA BASKET-BALL NIBATA NY MEDALY VOLAMENA TATSY MAORISY, TONGA NITSIDIKA NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Tonga nitsidika an’Andriamatoa Minisitra ny filaminam –bahoaka Contrôleur Général de Police RAFANOMEZANTSOA Roger ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny taranja basket-ball izay nibata ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny nosy natao tetsy maurice farany teo. Nitondra ny teny fisaorana ho an’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka ireto mpilalao ireto tamin’ny fanampiana azon’izy ireo ka nahazoany izao vokatra tsara izao. Marihina moa fa nanome fanampiana sy fankaherezana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja Basket-ball sokajy vehivavy izay niatrika ny lalaon’ny nosy ny Minisitra . Fanampiana ara-bola mitentina folo tapitrisa ariary ( 10 000 000ar) no nomeny ny ekipam-pirenena Malagasy mba hahafahan’ izy ireo manoman-tena tsara ka hitondra avo ny voninahi-pirenena ary handrombaka ny amboara. Tetsy ankilan’izany moa dia nisaotra sy nankasitraka azy ireo ny tompon-andraikitra voalohany avy ao amin’ny Polisim-pirenena ka nanome mari-pankasitrahana ireo mahery fon’ny firenena ary mbola vonona hanampy ireo mpilalao amin’ny fifaninanana izay mbola hatrehan’izy ireo.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13382