«

»

Août 02 2019

Print this Article

BRIGADE DES ACCIDENTS – TSARALALANA : HETSIKA FANENTANANA SY FAMPIANARANA HO AMIN’NY FANARAHAN-DALANA. FANDIKAN-DALANA MITOTALY 404 AO ANATIN’NY 4 ORA MONJA

BRIGADE DES ACCIDENTS – TSARALALANA : HETSIKA FANENTANANA SY FAMPIANARANA HO AMIN’NY FANARAHAN-DALANA. FANDIKAN-DALANA MITOTALY 404 AO ANATIN’NY 4 ORA MONJA

Miisa 306 ireo mpitaingina môtô tsy manao aro loha , 93 kosa ireo tsy nanana «assurance» ary 05 no tsy nanana permis. Ireo no atontan’isa azon’ny Pôlisy tetsy amin’ny “rond-point” akaikin’ny MadInox 67ha, rehefa nanao fanentanana nandritra ny ora efatra an’ireo mpitondra moto ny mpitandro ny filaminana. Ireo antontan’isa ireo dia manamarika fa betsaka ireo mpitondra môtô no tsy manara-dalàna ka isan’ny antony mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra. Tsy mitsahatra ny manentana azy ireo hatrany ny Pôlisy ho fiarovana ny ain’izy ireo fa tsy raisina ho fanasaziana akory ny fitondrana aro loha sy ny fananana «Assurance» sy ny « Permis de conduire »( ho an’ireo moto mila izany).
Misy ihany koa ireo mpitondra fiara nosavaina ka hita fa mbola misy ireo mpamily fiara tsy mitondra « permis de conduire » ary koa ireo sarety izay mbola mifamoivoy tsy manaraka ny ora izay tokony handehanan’izy ireo.
Nandray ny fepetra moa ny Polisy ka ho an’ireo mpitondra sy mpandeha môtô tsy nitondra aro loha dia nogiazana teny an-toerana ny môtô an’izy ireo ary nasaina naka aro loha avokoa vao afaka nalefa. Toraka izany koa ireo mpamily fiara tsy nitondra «permis»,nasaina naka izany ary ireo mpitondra posy niandry ny ora afaka hivezivezeny

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13370