«

»

Juil 25 2019

Print this Article

CSP 3 : MPAMAKY FIARA SY LEHILAHY NIVADI-PITOKISANA SAMY TRA-TEHAKY NY POLISY

CSP 3 : MPAMAKY FIARA SY LEHILAHY NIVADI-PITOKISANA SAMY TRA-TEHAKY NY POLISY

Fiara iray niantsona amoron-dalana teny Anjanahary no nokasain’ny tovolahy iray hovakiana tamina fanalahidy namboarina manokana. Tsy lavitra teo anefa ny tompony nahita ny fihetsik’ilay tovolahy saika hanokatra ny varavaran’ny fiarany ka niantso vonjy tamin’ny manodidina. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary natao fanadihadiana teny amin’ny Polisin’ny Boriborintany fahatelo. Tao anatin’ny famotorana no nanoroany ireo namany roa hafa izay mpamboatra ilay fanalahidy entiny manao ny asa ratsiny; nosamborina teny Ambohitrarahaba koa ireto farany.
Lehilahy iray ihany koa no nosamborin’ny Polisy tetsy Andravoahangy noho ny fivadiham-pitokisana. Fividianana moto tamina olona fantatr’ity lehilahy ity no antony nisamborana azy. Nilaza ilay lehilahy fa hovidiany ilay môtô ary omeny tsikelikely ny vola. Nifanaiky ny mpividy sy ny mpivarotra ka nanome vola 300.000 ar ilay lehilahy ary nentiny ny môtô. Taorian’izay anefa dia tsy nandoa vola intsony izy , ary tsy azo antso tamin’ny finday sady nanjavona tsy hita intsony izay misy azy . Nametraka fitoriana ilay tompona môtô ka natao ny fanadihadiana ary voasambotra teny Andravoahangy ilay lehilahy mpividy. Ilay môtô kosa namidiny efa ela ary tsy hita intsony.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13362