«

»

Juil 23 2019

Print this Article

POLISY VAOVAO MIISA 1098 NO HANOME RA HO AN’NY MPIRAY TANINDRAZANA AMINY

Hanome rà maimaimpoana ho an’ny vahoaka Malagasy ireo Polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA” teny amin’ny HJRA Ampefiloha. Nitarika azy ireo ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Contrôleur General de Police RAFANOMEZANTSOA Roger ary nilaza fa: “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome ra dia mamonjy aina”. Nisaotra ny Polisim-pirenena ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny HJRA tamin’izao hetsika izao nohon’ny fahafoizany ny rany ho famonjena ny mpiara-belona.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13351