«

»

Juil 17 2019

Print this Article

ENIAP ANTSIRABE: HIVOAKA NY ZOMA IZAO NY ANDIANY FENITRA

ENIAP ANTSIRABE: HIVOAKA NY ZOMA IZAO NY ANDIANY FENITRA

Ny Zoma 19 Jolay ho avy izao no havoaka amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny ENIAP (Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police) Antsirabe ireo mpianatra ho Polisy andiany faha-25. Naharitra 12 volana ny fiofanana natrehan’ireto mpianatra ireto ary 1102 ny isan’izy ireo tamin’ny nanombohan’ny fiofanana: 100 ny mpianatra ho Inspecteurs ary 8 ny vavy amin’ireo raha 1002 kosa ny mpianatra ho Agents de Police izay nahitana vehivavy 93. Ireo mpianatra nahavita ny fiofanana fototra ankapobeny sy ny fianarana an-tsekoly ary ny fampiharana teny am-perinasa moa no hivoaka amin’io zoma io ary mitondra ny anarana “FENITRA” ity andiany ity. Manasa antsika rehetra ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka hanotrona izany lanonana izany ary isika Polisy izay ho avy any Antsirabe dia entanina mba hanao ny fanamiana laharana voalohany.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13321