«

»

Juil 15 2019

Print this Article

CSP4, CSP5, CSP7 : TRA-TEHAKA IREO TOVOLAHY MPAMAKY FIANGONANA, MPANENDAKA, ARY MPANGARO-PAOSY

Miisa 73 ny fitarainana azon’ny Polisy ary efa betsaka ny olona nitondra takaitra mahakasika an’ilay mpanendaka mpandratra olona eny amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina. Efa ela no nitadiavan’ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahaefatra azy ary tra-tehaka teny Anatihazo isotry izy raha vao avy nanendaka mpianatra hamonjy “cyber” iny. Ilay antsy be nentiny nanendaka kosa dia natsipiny tany anaty rano rehefa fantany fa tsy afa-nandositra intsony izy. Mbola karohina kosa ireo namany izay manampy azy amin’ny asa ratsiny.
Voasambotra ihany koa ilay tovolahy namaky fiangonana sady mpamaky trano eny amin’ny faritra Anosibe iny. Tra-tehaky ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy tao an-tranony tetsy Andavamamba izy ary mbola tratra tao ireo entana halatra marobe izay azony toy ny groupe éléctrogène, solosaina,sns .
Tsy mijanona hatreo ny ezaka ataon’ny Polisy hisamborana ireo Mpangarom-paosy etsy amin’ny faritra 67ha iny. Tovolahy iray vao 18 taona no tra-tehaky ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito manao fanamiana sivily saika hangarom-paosy ireo olona miandry taxi-be tetsy amin’ny “arret bus” 67ha tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Niaiky ny heloka vintany izy ary efa betsaka ihany koa ny olona izay voaharon’ity tovolahy ity paosy.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13318