«

»

Juil 11 2019

Print this Article

BAREA DE MADAGASCAR : HANDRAY ANJARA FENO AMIN’NY FANOHANANA NY POLISIM-PIRENENA

BAREA DE MADAGASCAR : HANDRAY ANJARA FENO AMIN’NY FANOHANANA NY POLISIM-PIRENENA

Andro lehibe ho an’ny firenena Malagasy ny andro anio izay hiatrehan’ny Barea ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboara eto afrika. Handray anjara feno amin’izany ny Polisim-pirenena hahafahan’ny vahoaka Malagasy miatrika am-pilaminana izany lalao baolina kitra izany. Polisy miisa 1350 no indray hihetsika amin’ity andro anio ity ka misy amin’izy ireo ny handrindra ny fifamoivoizana fotsiny manomboka izao maraina izao. Ho hita eny amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra ihany koa ny Polisy hijery ireo olona izay manararaotra ity lalao ity hanaovana ireo asa ratsy samihafa miseho eny anivon’ny fiaraha-monina.
Ny Polisim-pirenena dia manentana antsika vahoaka hahay hifaly sy hiravo ao anatin’ny filaminana ka tsy hanao ireto fihetsika ireto :
👉 Fiakarana eny ambonin’ny fiaran’ olona
👉 Fampiakarana zaza eny ambony fitoerana entan’ny fiara
👉 Ireo fiara sy moto mandeha « sens interdit »
👉 Fatoriana eny afovoan’ny arabe hanakanana ny fiara tsy handeha.
👉 Fahamamoana be loatra ka mety hampitera-doza ho an’ilay olona sy ny manodidina azy.

Hiara-hientana hanohana ny Barea indray isika ka manantena sahady ny fandresen’izy ireo ho reharehan’ny vahoaka malagasy.

Miara-mirona amin’ny Barea ny Polisim-pirenena

ALEFA BAREA

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13305