«

»

Juil 11 2019

Print this Article

SUT TSARALALANA : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY LEHILAHY MPANOLANA SADY MPANENDAKA ENY AMIN’NY FARITRA ANOSIZATO

SUT TSARALALANA : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY LEHILAHY MPANOLANA SADY MPANENDAKA ENY AMIN’NY FARITRA ANOSIZATO

Mpivady tratra alina andeha hody no nosakanana lehilahy miisa 03 rehefa tonga tany amin’ny toerana mangingina. nodarohan’izy ireo ilay raim-pianakaviana ka rehefa tsy nahatsiaro tena dia nalefany tao anaty tatatra. Ilay renim-pianakaviana izay nitondra vohoka 02 volana kosa dia nentin’izy ireo tamina toerana iray tsy lavitra teo ka dia naolan’izy ireo ary mbola lasan’ireto olon-dratsy ny firavaka sy ny vola tany amin’izy mivady. Nitory tany amin’ny Polisy izy mivady ary nanao ny famotorana ny mpitandro ny filaminana. Fantatra ny toerana nipetrahan’ireto olon-dratsy ka nidina ifotony avy hatrany ny Polisy saingy efa nitsoaka tsy tao intsony ireto jiolahy. Nitohy ny fikarohana ary tra-tehaka teny am-pampiadiana akoho teny Anosizato ny ray tamin’ireo jiolahy. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity ary fantatra fa mpirahalahy avokoa izy ireo no nanao io asa ratsy io. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisy

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13300