«

»

Juil 05 2019

Print this Article

PMPM : NOTANAN’NY POLISY ILAY RANGAHY NAMPIHINANA MALOTO NY SAKAIZANY

PMPM : NOTANAN’NY POLISY ILAY RANGAHY NAMPIHINANA MALOTO NY SAKAIZANY

Noteren’ity rangahy nihinana ny malotony ilay sakaizany ho porofom-pitiavana azy sady nambanany tamin’ny antsy. Nitory taty amin’ny Polisy ilay vehivavy noho ny fanaovana toetra mamoafady nahazo azy ary nilaza izy fa tsy vitan’ny fampihinana maloto no nataon’ilay rangahy fa mbola nanaovany herisetra ihany koa. Rehefa natao ny famotorana ilay rangahy dia fantatra fa avy atsy la Réunion izy ary mivezivezy eto Madagasikara. Niaraka aman-taonany izy sy ny sakaizany ary efa manan-janaka. Niaiky ny zavatra nataony ilay rangahy ary nilaza ity izy fa mampirafy azy sy lanin’ilay vehivavy ny vola izay omeny ka izay no antony hanaovany an’ireo fihetsika mamoafady ireo. Notanan’ny Polisy avy hatrany moa ilay rangahy ary natolotra ny fitsarana.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13269