«

»

Jan 08 2013

Print this Article

Arrestation par la BC3 de Ando et consorts pour Vol d’une somme de 40.000.000 d’Ariary

Tamin’ny 29 Oktobra lasa teo rehefa avy naka vidina vato tao amin’ny Hotel le Pacifique ny sinoa iray niaraka tamin’ny mpiasa vaviny, izay mitetina 40.000.000 Ariary na 200.000.000Fmg dia narahin’ilay sipan’ilay mpiasan’ilay sinoa tamina moto avy aoriana. Rehefa tonga tany an-trano teny Analamahitsy ilay sinoa dia nandray vahiny ka dia nalain’ilay mpiasa vavy izay antsoina hoe Ando ny vola tao anaty sakaosy ary dia nitsoaka izy nakany amin’ny sipany izay antsoina hoe Olivier.
Noentin’izy roa nitsoaka tany amina hotely iray teny Ambohimanga kely moa ilay vola 40.000.000Ar, rehefa tonga teny moa ry zareo dia nilaza I Olivier fa aleo hapetraka any amin’ny anabaviny  ny vola izay efa nangalan’izy ireo 5.000.000 Ar avy eo ry zareo dia nitsoaka tany Ampefy.
Rehefa nametraka fitoriana teny amin’ny polisy moa ity sinoa dia natao ny fanadihadiana ka ny reniny Ando sy ny anabavin’I Olivier no voatazona tao amin’ny Polisy misahana ny ady heloka be vava na BC 3.
Rehefa  nahare izany i Olivier dia nilaza fa manana an’i Haingo izay mahafantatra Polisy afaka mandamina ny afera  tsy hiakatra fitsarana. Ary dia naka vola 10.000.000Ar.
Rehefa lany moa ny volan’izy roa dia niverina teto Antananarivo i Olivier sy Ando, Olivier moa tsy hita izay misy azy fa i Ando kosa dia nipetraka tamin’ny olona fantany teny Anjeva Gara. Tamin’ny alalan’ny antso an-taribia nataon’ny reniny azy no nahafahana nisambotra azy tamin’ny 02 Janoary lasa teo tamin’ny 4ora hariva.
Rehefa nohadihadiana i Ando dia niaiky tokoa fa naka ilay vola ary nilaza izy fa i Olivier no nampirisika azy haka ilay vola be no izy mahalala ny tsiambara-telon’ny ao an-trano.
Olona efatra izany no voasambotry ny Polisy BC3 dia i Ando, ny Anabavin’i Olivier, ny Maman’i Ando sy i Haingo.
Natolotra ny Fitsarana tamin’ny Sabotsy teo ry zareo ka nalefa any am-ponja vonjimaika.
Marihana fa ny fanafenana olon-dratsy dia henjehin’ny lalana ihany koa ka manentana ny olona ny Polisy mba hiara-hiasa aminy.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=1323

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.