«

»

Juil 03 2019

Print this Article

NOSAMBORIN’NY POLISY BC2 IREO OLONA NANALA NY VOAMASON’ILAY TOVOLAHY

BC2 NOSAMBORIN’NY POLISY IREO OLONA NANALA NY VOAMASON’ILAY TOVOLAHY.

Tovolahy 01 no nanaovan’ny olona 05 (lehilahy 03 sy vehivavy 02) angaredona ka nesorin’izy ireo ny maso havian’ilay tovolahy. Nitrangana fifamaliana teo amin’izy ireo ka raikitra ny ady. Fantatra tamin’izany fa ny lehilahy 02 no nitazona sy nandavo ilay tovolahy tamin’ny tany, ny ramatoa 01 no nanolotra ilay vy maranitra hanindronana ny mason’ilay tovolahy ary ny ny lehilahy 01 kosa no nanindrona izany, nisy vehivavy 01 ihany koa no saika hanondraka azy tamin’ny rano mangotraka. Rehefa naheno izany tranga izany ny Polisy dia nanao ny famotorana ka raikitra ny fanenjehena ireo olona nanao izany. 04 izy ireo no tra-tehaka tetsy Ampefiloha ary mbola misy 01 tadiavina . Niaiky ny heloka vitany izy 04 mianadahy ary efa nisy tamin’izy ireo no namerin-keloka talohan’izao tranga izao.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13216