«

»

Juin 27 2019

Print this Article

MANAMAFY NY FISAFOANA NY POLISIM-PIRENENA

MANAMAFY NY FISAFOANA NY POLISIM-PIRENENA

Fotoana fohy taorian’ny fanafihana nitranga tetsy amin’ny Galana Akorondrano ny 25 jiona alina teo dia nidina tany an-toerana nijery ny zava-misy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police RAFANOMEZANTSOA Roger. Nolazainy tamin’izany fa efa miparitaka eran’ny renivohitra ireo Polisy manao fanamiana ka entanina ny olom-pirenena hanatona azy ireny raha sendra mahita tranga hafahafa eny anivon’ny fiaraha-monina. Misy ihany koa ny laharana afaka antsoina raha misy ny olom-pirenena hampita vaovao ho an’ny Polisy:
📞034 05 518 18
📞034 05 998 33
📞034 05 517 22

Ny Polisim-pirenena dia mirary fety sambatra ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13203