«

»

Juin 25 2019

Print this Article

FISOLOKIANA: LEHILAHY 01 SY VEHIVAVY 01 NO NOSAMBORIN’NY POLISY AVY AO AMIN’NY BC4.

FISOLOKIANA EO ANIVON’NY FIARAHA-MONINA: LEHILAHY 01 SY VEHIVAVY 01 NO NOSAMBORIN’NY POLISY AVY AO AMIN’NY BC4.

Lehilahy 01 milaza ho mahay fitsaboana nentim-paharazana no misoloky ary milaza fa mahavita manasitrana aretina maro. Nisy ny olona tonga nitory azy taty amin’ny Polisy ka rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy manana fanomezam-pahasoavana amin’izany ity lehilahy ity fa maka volan’olona fotsiny ary mitentina 30 tapitrisa no vola efa azony.
Ramatoa iray ihany koa no tra-tehaky ny Polisy tetsy Ampefiloha rehefa nisoloky olona amin’ny fivarotana merkiora. Nandritra ny fisavana ny tranony dia nahita fitaovana maro nolazainy fa hitadiavany ilay merkiora tao aminy. Mitentina 250 tapitrisa ariary mahery moa ny vola efa lasan’ilay ramatoa ka izao tra-tehaka izao.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13184