«

»

Juin 14 2019

Print this Article

HITA IREO ZAZALAHY KELY TELO NANAOVANA FILAZANA OMBAY MITADY

HITA IREO ZAZALAHY KELY TELO NANAOVANA FILAZANA OMBAY MITADY

Zazalahy kely miisa 03 nanaovana filazana« ombay mitady » teny Soarano kely Ambohijanaka sy naparitaka teto amin’ny tambazotran-tserasera ny Alarobia 12Jiona 2019 no hitan’ny Polisy tany Dorodosy akaikin’Alasora. Nanao ny fikarohana nandritra ny alina manontolo ny Polisy ka ny maraina ny Alakamisy 13 jiona tokony ho tamin’ny 08 ora no hita teny Antanimbary teny amin’ny faritra dorodosy akaikin’Alasora iny izy 03 lahy izay marihina fa 08 taona ny zokiny ary 06 taona ny zandriny indrindra. Rehefa natao fanadihadiana ireto zaza ireto dia noho ny kapoka nataon’ny Ray aman-drenin’ny iray amin’izy ireo no nahatonga ilay zazalahy 01 nitsoaka ka izy indray aveo no nitaona ireo namany roalahy niaraka taminy. Manentana hatrany ny Polisim-pirenena mba hampandre haingana azy ireo raha misy tranga toy izao mba tsy hampanano sarotra ny fanadihadiana. Efa tafaverina soa aman-tsara amin’ireo Ray aman-dreniny moa ireto zaza very ireto.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13109