«

»

Juin 12 2019

Print this Article

MPANGALA-JAZA TRATRAN’NY POLISIN’NY BC3

MPANGALA-JAZA TRATRAN’NY POLISIN’NY BC3

Tra-tehaky ny Polisy tany Andilamena ny mpivady 01 izay nangala-jaza 03 taona ny 05 jiona 2019 lasa teo. Nahazo fitarainana ny Polisy fa nisy Ray aman-dreny very zanaka tao Soavinandriana Itasy ny 25 Mai 2019 lasa teo. Nolazain’ireto Ray aman-dreny fa mitaky vola 10.000.000Ariary ireo mpangala-jaza vao haveriny ilay zaza. Nisy ary ny vola 1.000.000ar nomen’ireo ray aman-dreny an’ireto olon-dratsy tamin’ny finday satria io no vola tany amin’izy ireo. Tao anatin’izany dia efa nitohy ny famotorana nataon’ny Polisy ka fantatra fa any Ivandry no nisy ireo olon-dratsy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ary efa tsy tao intsony ireto mpangala-jaza fa lasa any Andilamena. Tonga tany Andilamena indray ny Polisy ka tra-tehaka tao amina trano iray tany an-toerana ny Tovolahy iray sy ny vadiny miaraka amin’ilay zaza ary dia nosamborina avy hatrany. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahalalana fa tovolahy fianakavian’izy ireo ihany ity nangala-jaza ity. Ilay zaza 03 taona kosa dia efa tafaverina soa aman-tsara any amin’ny Ray aman-dreniny.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13103