«

»

Juin 13 2019

Print this Article

FANAJANONANA SARETY SY POSY ATAON’NY POLISY

FANAJANONANA SARETY SY POSY ATAON’NY POLISY

Najanon’ny Polisy avokoa ireo sarety sy posy mifamezivezy tsy manaja ny ora izay azon’izy ireo andehanana tetsy anosy. Izao no natao dia mba hanalefahana ny fitarazohan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Nampahafantatra sy nanentana azy ireo ny Polisim-pirenena mialohan’ny handraisana fepetra amin’ny tokony hanajan’izy ireo ny ora voatondro. Marihina fa tapitra amin’ny 07 ora maraina ny fifamezivezen’ny posy sy sarety ; Afaka mandeha indray izy ireo manomboka amin’ny 10 hatramin’ny 12 ora ary amin’ny 02 ora hatramin’ny 4 ora. Hitohy manerana an’ Antananarivo Renivohitra moa izao hetsika ataon’ny Polisim-pirenena izao.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13095