«

»

Juin 07 2019

Print this Article

POLISIN’NY CSP7 NANAKATONANA TOERAM-PISOTROANA TENY AMIN’NY FARITRA 67HA

POLISIN’NY CSP7 NANAKATONANA TOERAM-PISOTROANA TENY AMIN’NY FARITRA 67HA

Nakaton’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ ny boriborintany fahafito avokoa ireo toeram-pisotroana sy toeram-pialamboly eny amin’ny faritra 67ha izay mbola nivoha mihoatra ny amin’ny 09 ora alina. Ho fampianarana ireo mpivarotra hanara-dàlana sy hitandroana ny filaminana ary hiarovana ireo olona mody amin’ny alina moa no anton’izao hetsika izao. Nahatratra 22 ireo olona notazomina tany amin’ny biraon’ny polisy nandritra izany hetsika izany ary maro amin’izy ireo no tsy nitondra kara-panondro. Nisy ihany koa fidinana nataon’ny Polisy teny amin’ny lalana rocade hanakanana irony fiara mifaninana mandeha mafy amin’ny alina irony hisorohana ny loza mety hitranga amin’iny lalana iny.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13065