«

»

Juin 04 2019

Print this Article

Fanambarana avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka

FANAMBARANA

Manoloana ny filazam-baovao tamin’ny tambazotran-tserasera (fb) izay mahakasika fikasihan-tanana nataona Polisy teny amin’ny faritra Ampitatafika. Izahay eto amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka dia manolotra fisaorana sy mamporisika hantrany ny fifanomezan-tanana avy amintsika tsirairay amin’ny filazam-baovao mba hisorohana ny fandikan-dalàna na avy amin’iza na avy amin’iza.
Manamafy sy manantitra hatrany koa fa tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza, indrindra fa ny mpitandro ny filaminana izay nianatra manokana ny momba izany. Manoloana ny toe-java-nitranga dia mitondra izao fanamarihana izao ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka :
1- Io zava-nitranga io dia ny Sabotsy alina no niseho teny Ampitatafika ary efa naharay ny fitoriana mahakasika izany ny eto anivon’ny Polisim-pirenena
2- Efa nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana ka hamarininay fa tsy Polisy miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny 67 Ha (CSP 7ème Arrondissement) io Polisy voalaza io fa kosa miasa ety Anosy. Araka ny fanadihadiana natao ihany dia izy sy ny zanany lahy no voakasika amin’ity raharaha ity.
3- Amin’ny toe-javatra mitranga tahak’izao dia vesatra roa (02) no mihatra amin’ny Polisy nandika lalàna. – Ny vesatra ara-pitsipi-pifehezana (Disciplinaire) ary ny vesatra ara ady heloka (Pénal). Manamarika hatrany izahay fa vonona ny hampiseho ny mangarahara tanteraka ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha mahakasika ity tranga ity.
Mbola manolotra ny fisaorana antsika rehetra ny Minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13048