«

»

Mai 22 2019

Print this Article

DFCR (Direction de la Formation Continue et de la Recherche)

DFCR (Direction de la Formation Continue et de la Recherche)

Polisy 21, tamin’ireo 80 nandranto fianarana teny sinoa, nanomboka ny taona 2015, niaraka tamin’ny Sekoly Four Twelve School eny Tanjombato, no nahavita ny fianarany sy ny fanadinam-panjakana mifanaraka amin’izany ka nandray ny marim-pahaizan’izy ireo avy androany faha-21 mey 2019 teny amin’ny #DFCR eny Antanimora.
Diplaoma iraisam-pirenena ary ekena eran’izao tontolo izao ireto diploma noraisin’izy 21 mianadahy ireto : HSK1 ; HSK2 ; ary HSK3. Amin’izao lentan’izy ireto izao dia efa mahafehy tanteraka ny teny sinoa mandarin izy ireo ary efa afaka mifampiresaka tsara amin’ny Sinoa mihitsy.
Tonga nanome voninahitra izao fizarana diplaoma izao ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ireo Tale eto anivon’ny Ministera.

Mijoroa ho rehareha

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13010