«

»

Mai 22 2019

Print this Article

Nitsidika ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka teny amin’ny biraony teny Anosy ny Solon-tena maharitry ny JICA Madagascar (Agence Japonaise de Coopération internationale)

Tonga nitsidika ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka teny amin’ny biraony teny Anosy ny Solon-tena maharitry ny JICA Madagascar (Agence Japonaise de Coopération internationale), Atoa UMEMOTO SHINJI, ny faha-20 may 2019, nitondra teny fisaorana sy fankasitrana feno ho an’ny Polisy mahakasika ny ezaka lehibe natao nanenjehina ireo jiolahy nanafika japoney tany Ambatondrazaka ny faha-04 may 2019 lasa iny.
Raha tsiahivina dia nisy fanafihana mitam-piadiana nitranga tao amina tranona japoney tao Avaradrova, Ambatondrazaka, ny faha-04 may 2019, ka nahaverezana vola sy entana maro ary naharatrana olona 04.
Nohon’ny ezaka nataon’ny Polisy tany an-toerana nandritra ny famotorona dia voasambotra daholo ny tompon’antoka sy ny mpiray tsikombakomba rehetra tamin’io fanafihana io ary efa nampidirina am-ponja vonjy maika : Lehilahy 06 sy vehivavy 01.

Mitsangana Ry Polisy

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13007