«

»

Mai 20 2019

Print this Article

FIP Diégo

FIP Diégo

Misy andiana mpanendaka sy mpanindrona antsy mampiferonaina ny mponina sady efa malaza ao Tsaramandroso Diégo ka nadraisan’ny Polisin’ny FIP Diégo fepetra.
Ny faha-17 tokony ho tamin’ny 07 ora hariva iny dia efa niambina teny Tsaramandroso ny Polisin’ny FIP Diégo ka tamin’izay indrindra ireto 02 lahy no nanendaka olona 01 sendra azy ireo.
Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisy nampitsahatra ity fanendahana miharihary ity ka vaky nandositra teo ny 01 tamin’ireo jiolahy. Ny 01 kosa dia nandrahoana ny Polisy tamin’ny sabatra sady nitoraka tamin’ny vato no nilaza ny hamely raha manantona azy ireto Polisy ireto. Tsy nanaiky lembenana ny Polisy fa nampitandrina mialoha an’ity mpanendaka ity mba hitolo-batana. Tsy nanaiky izany anefa ity farany ity ka tsy maintsy nitifotra ny polisy ka voa teo amin’ny tendany ilay jiolahy fa tsy maty ka noraisim-potsiny teo ary naterina ho tsaboina any amin’ny hopitaly aloha.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13004