«

»

Mai 17 2019

Print this Article

Vaovao CSP4 ; CSP ALASORA

CSP4
Tratran’ny Polisin’ny CSP4, ny faha-15 may 2019 tokony ho tamin’ny 05 ora hariva, teny Antoamadinika, i Benaivo, mpanendaka tafatsoaka teo am-pelantanan’ny Polisy tamin’izany fotoana izany, sy iSafidy namany mpanendaka ihany koaizay efa nigadra.
Ny angom-baovao azon’ny Polisy no nahalalana fa mihaodihaody teny amin’ny stationnement an’Ambatondrazaka teny izy 02 lahy ireto tamin’io fotoana io ary dia nanao fisafoana teny avy hatrany ny Polisy ka tratra am-body omby saika hanatanteraka ny asa ratsiny iny izy ireto no nosamborin’ny Polisy ka tsy afa-nihetsika instony.

CSP ALASORA
Taoka gasy 260 litatra no saron’ny Polisin’ny CSP Alasora teny amin’ny Bypass ny faha-15 may 2019 tamin’ny 09 ora alina.
Vaovao efa mari-pototra no nahafantarana fa fiara Peugeot 306 nomerao … TAJ no hitondra ity taoka gasy avy any Toamasina ity ary handalo amin’ny lalan’ny Bypass iny ka dia nandrasan’ny barrage routier-n’ny Polisy fotsiny. Mpamily 01 sy ny tompon’ny entana 01 no nosamborina tamin’izany ary efa nanaovana ny famotorana sy ny paikady rehetra fanasaziana ny fitanterana sy famarotana tsy ara-dalana ny taoka gasy izy ireo.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13000