«

»

Mai 13 2019

Print this Article

Entana miteti-bidy 195 510 000ar tafaverina amin’ny tompony

Entana miteti-bidy 195510000ar tafaverina amin’ny tompony

Ny talata faha 07 may 2019 tokony ho tamin’ny 03 ora hariva rehefa nahazo angom-baovao marim-pototra ny Polisy avy ao amin’ny CSP2 dia nidina teny Antohomadinika ka nahatratra “moto-pompe” marobe marika INGICO tsy misy taratasy ary tsy fanta-pototra namidina lehilahy 01, 41 taona.
Rehefa nofotorana ity farany dia nilaza fa entana nangalarina teny Itaosy ireto entana ireto ary rehefa natao koa ny fisavana ny tranony teo Antohomdinika ihany dia mbola tratra tao ny 105 “moto-pompe” marika INGICO, MIOTA ary NUMBER ONE, 101 tuyaux aspirateur mitovy marika amin’ireo moto-pompe koa, 104 tuyaux de refoulement.
Rehefa fantatra ny tompon’ireto entana ireto dia nanambara fa entana tafiditra ao anatin’ny marché an’ny FAO saika halefa any Ambovombe sy Taolagnaro ary Amboasary no tsy tody tany amin’izany toerana izany ireto entana ireto. Mitentina 195.510.000 ariary ny vidin’ireo entana ireo ary efa voaverina tanteraka tamin’izy tompony izany amin’izao fotoana izao.
Mbola tsy tratra hatreto ny tompon’antoka tamin’ity halatra ity fa mitohy ny famotorana.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=12988