«

»

Mai 07 2019

Print this Article

COMMISSARIAT CENTRAL ANTSIRABE

Rongony 18kg natao tamina sachets mainty miisa 08 no saron’ny Polisin’ny Commissariat Central Antsirabe nandritra ny « barrage routier » teny amin’ny Tombotsoa (Antsirabe) ny 05 May 2019 maraina.

Fiara mpitatitra mampitohy an’i Toliary sy Antananarivo no nitondra ity zava-mahadomelina ity. Tsy fantatra kosa ny tompon’entana fa ny mpamily sy ny mpamily fanampiny no tomponantoka tamin’izao fitanterana rongony izao.

Natolotra ny Fampanoavana tao Antsirabe ny 07 may 2019 izy ireo.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=12961