«

»

Mai 08 2019

Print this Article

UNITE D’INTERVENTION RAPIDE : OPERATION TENUE CIVILE

Mitohy ny opération tenue civile ataon’ny UIR amin’ny faritra mafana eto Andrenivohitra.

Ny faha 07 may 2019 tokony ho tamin’y 08 ora alina teny Ampasika teny amin’ny faritra antsoina hoe AXE DU MAL akaikin’ny FDC iny dia mpanendaka 01 mitam-piadiana indray no lavon’ny Polisy rehefa nifanenjehana.

Maro ny fitarainana efa voaray mahakasika iny faritra Ampasika iny ary efa marim-pototra ny angom-baovao azon’ny UIR.

Narahim-potsiny ireto 02 lahy ireto tamin’io fotoana io ary nandrasana ny nanombohany ny asa ratsiny. Vao nahita ny Polisy izay nanara-dia azy anefa izy ireo dia avy hatrany dia vaky nandositra ary nizara roa ny lalany: Ny 01 tafatsoaka tamina elan-kelan-trano maizin-kitroka fa ny 01 kosa nizotra tamin’ny lalam-be ary tsy namelan’ny Polisy. Rehefa nampitandremana hijanona ity farany ity dia mbola saika hamaly niaraka tamin’ny antsibeny ihany ka voan’ny balan’ny Polisy teo amin’ny sorony ka voatrobaky ny antsiny ihany rehefa lavo tamin’ny tany.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=12958