«

»

Mai 08 2019

Print this Article

VONO OLONA TENY AMBODIMITA

Lehilahy 01 no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka vono olona teny’Ambodimita-Ambohimanarina ny faha-06 may 2019 lasa teo.

Ny 24 aprily 2019 dia nandray fitorianan’ny Raim-pianakaviana 01 ny Polisy ao amin’ny BC1 Anosy nohon’ny nahafatesan’ny ny zanany lahy 20 taona.

Ny 14 aprily 2019 teny Ambodimita-Ambohimanarina dia niara-nilalao baolina tamin’ireo namany io zanany io. Tao aorinan’izany dia niara nisotro toaka teny amin’ny manodidina teny ihany izy ireo. Rehefa samy mamomamo teo ry zalahy dia nanomboka niseho ny disadisa ka raikitra ny ady nohon’ny farany.

Anisan’ny niady tamin’izany ity tovolahy maty ity sy ireo namany hafa. Nisy niezaka nanasaraka ihany izy ireo fa tsy voatazona mihintsy. Voa mafy ity tovolahy maty ity tamin’izany ka nidaraboka tamin’ny tany ary ny lohany mihintsy no nianjera voalohany dia nitarika ny tsy fahatsiarovany tena. 03 andro taty aorianan’ny nidirany hopitaly no maty ity tovolahy ity.

Nandritra ny famotorana dia 02 lahy no nosamborina teny Ambodimita ny 02 may 2019 ary natolotra ny Fampanoavana ny 03 may 2019 ka ny 01 naiditra am-ponja fa ny 01 kosa nahazo fahafahana vonjimaika.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=12952