«

»

Avr 17 2019

Print this Article

FANAOVANA PASIPAORO HOSOKA

FANAOVANA PASIPAORO HOSOKA

Taratasy hosoka no nisamborana ity vehivavy ity raha saika hanao pasipaoro hivoaka an’i Madagasikara izy ny 08 Aprily 2019 lasa teo. Nikarakara Pasipaoro tao amin’ny sampan-draharaha mahakasika izany ilay vehivavy no tsikaritry ny Polisy fa hosoka ny taratasy ampiasainy. Nosamborina avy hatrany ity farany ary rehefa nohadihadiana izy dia saika hivoaka hiasa any ivelany no antony nanaovany ilay pasipaoro hosoka. Nilaza izy fa nisy olona tao amin’ny “Commune rurale Andranomanelatra” any Antsirabe nanampy azy nanao izao taratasy hosoka izao izay marihina fa samy mpiasa ao amin’ny kaominina avokoa ireto nanampy azy ireto. Tsy niandry ela ihany koa ny Polisy fa avy dia nisambotra ireo olona 02 nanampy azy nanao izany taratasy hosoka izany .

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=12889