«

»

Oct 23 2012

Print this Article

Fifaninanana ara-panatanjahantena Basket-ball karakarain’ny Polisim-pirenena any amin’ny faritra VAKINANKARATRA

Nanomboka ny Sabotsy, 20 Octobre ary tsy hifarana raha tsy ny Alahady; 04 Novembre 2012 ny fifaninanana ara-panatanjahantena Basket-ball karakarain’ny Polisim-pirenena any amin’ny faritra VAKINANKARATRA. Mandray anjara amin’izao fifaninanana izao ny polisy rehetra miasa ao amin’ny Faritra VAKINANKARATRA, ny avy amin’ny;

–          Bureau Régional de la Police Nationale

–          Commissariat de Police BETAFO

–          Commissariat de Police AMBATOLAMPY

–          Commissariat de Police ANTANIFOTSY

–          Commissariat de Police AMBOHIMENA ANTSIRABE I

–          Ecole National des Inspecteurs et Agents de Police.

Ao amin »ny Kolejy St Joseph ANTSIRABE no anaovana ny lalao rehetra. Lalao roa avy hatrany no nentina nanokatra ny fifaninanana tamin’ny tolakandron’ny Sabotsy teo ka teo amin’ny lalao voalohany dia ny Bureau regional de la Police Nationale sy ny Commissariat de Police AMBOHIMENA; ny lalao faharoa dia nihaonan’ny Commissariat de Police BETAFO sy ny Ecole Nationale des Inspecteur  et Agents de Police.

Ny Sekretera jeneralin’ny faritry VAKINANKARATRA no tonga nisolo ten any lehiben’ny faritra tamin’ny fotoam-panokafana izay nilaza fa fampisehoan’ny Polisim-pirenena ny maha-izy azy izao fifaninanana izao ary fomba iray hanetsehana ny tanora ao amin’ny Faritra amin’ny lafiny fanatanjahantena.

Ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena eto ANTANANARIVO  kosa dia nilaza fa fanehoan’ny Polisim-pirenena ny fahaiza-manao hananany sy ny tanjaka hananany izao hetsika ara-panatanjahan-tena izao ary indrindra hanehoany ny fahaizany mifandray amin’ny vahoaka.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=1187

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.