«

»

Oct 10 2012

Print this Article

Fanafihan-jiolahy nitranga tao AMBODIN’ISOTRY ampitan’ny AIGLE NOIRE

Tamin’ny Alahady lasa teo tamin’ny 2 ora maraina dia nisy fanafihan-jiolahy nitranga tao AMBODIN’ISOTRY ampitan’ny AIGLE NOIRE, niantso vonjy ny tompon-trano saika hotafihin’ireo jiolahy ka nisy olona tsara sitrapo teo an-toerana niantso ny mpitandro ny filaminana ka fotoana fohy taorian’izay dia tonga ny Polisy avy amin’ny boriboritany faha-7 etsy 67 Ha sy faha-4 etsy Isotry.

Nilefa ireo jiolahy ka tsy nisy ny naratra sy ny entana very.

Miantso ny tompon’andrakitra ihany koa ireo mponina eny an-toerana mba hametrahana jiro amin’iny faritra eny amin’ny rond point CENAM hatreny amin’ny Mada Hotel 67 ha satria tena manararaotra ny aizina amin’iny toerana iny ny mpanao ratsy ka isan’andro dia misy olona miantso vonjeo foana vokatr’izany.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=1162

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.