«

»

Fév 07 2018

Print this Article

BC-SAG : Toerana fanamboarana fitaovam-piadiana mahery vaika, basy vita gasy, bala, ary fitaovana fanamboarana antsy sy poignard ampiasaina amin’ny fanafihana no indray saron’ny Brigade Criminelle sy ny Service Anti-gang

Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po iray no nahafahana nisambotra ireto mpivady efa nahazo taona ireto izay fantatra fa mpanamboatra sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo jiolahy mpanao fanafihana ka mampitombo ny tsy fandriam-pahalemana eto andrenivohitra.

Maro ny ezaka izay ataon’ny Polisim-pirenena manoloana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana, miha-sarotra hatrany anefa ny fanantanterahana izany asa izany manoloana ireo jiolahy izay mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, ary matetika dia mapametra-panontaniana ny fihavian’izy ireny.

Tahaka ity tranga iray ity dia ny tokantranon’izy mivady lehibe ireto mihintsy no nataony toerana fanamboarana ireo fitaovam-piadiana.

Sarona nandritra ny fidinan’ny Polisy teny an-toerana ireo karazam-basy samihafa, toy ny basy lava, ny “Pistolet” na “arme de poing” zay amin’ny karazany avy, basy vita gasy, bala, “canon sy mechanisme” maro ho an’ny fitaovam-piadiana toy ny “kalachnikov”, ary ihany koa fitaovana fanamboarana antsy sy “poignard” izay tsikaritra fa mitofy tefy amin’ireo antsy izay ampiasain’ireo jiolahy rehefa manao fanafihana.

Izao no tontosa dia nohon’ny fiarahamiasan’ny “Brigade criminelle” sy ny “Service Anti-Gang” izay naharitra andro maromaro nanao ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso nialohan’ny nirosoana tamin’ny fisamborana.

Ny Alakamisy voalohan’ny volana febroary hifoha 2 febroary no nanaovana ny fisamborana TENY Ambohidratrimo Andakana, ka tra-tehaka teo am-panamboarana izany basy gasy izany ireto olona mivady ireto, ary mbola teo avokoa ny fitaovana rehetra fampiasan ‘izy ireo sy ny basy izay efa vita.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10316