«

»

Jan 03 2018

Print this Article

CSP7-67Ha: MISESISESY NY FISAMBORANA IREO MPANENDAKA SY MPANAO SINTO-MAHERY, TOVOLAHY MIISA DIMY INDRAY NO VOASAMBOTRA

VATOBE 67Ha, COCO PLASTIQUE, JOVENNA 67ha, BONARA BE, PARKING 67Ha, mpanendaka sy mpanao sinto-mahery miisa dimy no voasambotry ny Polisin’ny Boriboritany faha-7 ny farany erinandro lasa teo.

Ny iray voalohany dia tratran’ny Polisy teny amin’ny “vatobe 67ha” rehefa nanaovana velam-pandrika, ny faharoa kosa dia voasambotry ny Polisy nandritra ny fisafoana tamin’ny andro alina teny amin’ny “Coco Plastique”, raha izy teo am-panaovana ny asa ratsiny iny, . ny fahatelo indray kosa dia tratra teo akaikin’ny “Bonara be” 67ha rehefa nisy olona niantso vonjeo ka henon’ny Polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ka avy hatrany dia niroso tamin’ny fanenjehana sy ny fisamborana ity mpanao ratsy teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

Ny faha-efatra kosa dia tratra teny amin’ny “Jovenna 67ha” rehefa naharay fitarainana ny Polisy ka nanao fanadihadiana mahakasika ny fisian’ny lehilahy iray izay malaza ratsy amin’ny resak     a halatra arahina herisetra.

Ny fahadimy farany dia teny amin’ny “Parking 67ha” no nisamborana azy ny faran’ny volana desambra teo rehefa nisy fiantsoana vonjy nataon’ilay voaendaka ka nahafahan’ny Polisy mpanao nandray ny andraikiny ara-potoana ka nisambotra ilay olon-dratsy.

Efa natolotra ny fampanoavana avokoa izy dimy (05) lahy ireto ary notanana am-ponja eny Antanimora.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10006