Monthly Archive: janvier 2018

Jan 31 2018

COMMISSARIAT CENTRAL TANJOMBATO: Lehilahy Mpisoloky Milaza Ho Mahavita Mampiditra Jiron’ Ny Jirama , Tratra Teny Ambohimiandra Ny Alakamisy Lasa Teo

Ny talata faha 23 janoary 2018 lasa teo dia naharay fitarainana ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Commissariat Central Tanjombato fa misy lehilahy iray antsoina hoe José, 28 taona, milaza ho mpiasan’ny JIRAMA ary mahavita mampiditra jiro ka mitaky vola fito hetsy amin’ny olona manaiky hampidirana izany. Izany vola izany araka ny filazany dia hividianana Compteur …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10262

Jan 30 2018

Brigade Criminelle-Anosy : Ady Amin’ny Asan-Jiolahy Sy Ny Fakana An-Keriny, Voasambotra I “Andry Colbert” Izay Voarohirohy Amin’ny Fakana An-Keriny Miisa Dimy, Lavo Teny Ankadimbahoaka Kosa I “Khan”, Ilay Lehilahy Iray Izay Miray Tendro Amin’ireo Jiolahy Mpaka An-Keriny Sy Nampiantrano Ireo Gadra Nitsoaka Ny Tsiafahy Rehefa Nifanehitra Tamin’ny Polisin’ny Brigade Criminelle

Anisan’ny paikadin’ny Polisim-Pirenena eto anivon’ny Ministera ny ady amin’ny asan’jiolahy amin’ny endriny rehetra indrindra eto antanan-dehibe, dia ny resaka fakana an-keriny sy ny fanafihana mitam-piadiana. Ary fantatsika fa niha nahazo vahana izany tato ho ato raha tsy hilaza afa tsy ny niseho farany tetsy Antanimena. Efa misy ny « cellule d’enquête mixte » izay itambaran’ny Polisy sy …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10247

Jan 29 2018

MITOHY HATRANY NY EZAKA HATAON’NY POLISIM-PIRENENA HIAROVANA NY TERATANY MALAGASY IZAY HAONDRANA ANY IVELANY: TAMBAZOTRA IRAY IZAY MPANONDRANA VEHIVAVY MANKANY ARABIE SAOUDITH SY KOWEIT NO RAVAN’POLISY NY ALAKAMISY LASA TEO

Ny Alakamisy 25 janoary 2017 lasa teo dia lehilahy iray antsoina hoe Dolin, 28 taona , avy any Andapa, no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Service Central des enquêtes Spécialiséss na SCES ANOSY tamin’ny resaka fanondranana olona any Koweit sy Arabie Saoudite. Fiaraha-miasa avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahan’ny Polisy ao amin’ny SCES …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10241

Jan 29 2018

FANONDRANANA VOLAMENA AN-TSOKOSOKO : KAROHINA FATRATRA NY LEHILAHY IRAY IZAY LOHANY AMIN’ITY TAMBAZOTRA ITY

  Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe BARITSIALONINA ANDRIFANANTENANA ALISOA, antsoina hoe « Alisoa » no karohina fatratra amin’izao fotoana izao noho ny resaka fanondranana volamena an-tsokosoko mankany ivelany. Adiresy fantatra farany: Lot AV 08 Ambohitrarahaba Ankadikely Ilafy Antananarivo 103. Ny 02 janoary 2018 lasa teo dia nanokatara fanadihadiana ny Polisy misahana ny ady heloka bevava ANOSY …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10236

Jan 29 2018

NANANTANTERAKA NY ADIDINY TAMIN’NY ALALAN’NY FAMBOLEN-KAZO ENTINA MIARO NY TONTOLO IAIANANA NY POLISIM-PIRENENA NY ZOMA LASA TEO

Ny Zoma 26 janoary 2018 no andro natokan’ny Polisim-pirenena hambolena hazo teny AMBANITSENA. Nitarika izany fambolen-kazo izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur General de Police ANDRIANISA Mamy Jean Jacques, narahan’ireo Tale sy lehibe amin’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena ary koa notronin’ny solotenan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana. Nambaran’ny Andriamatoa Minisitry ny Filaminan-bahoaka tamin’izany fa: …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10214

Jan 29 2018

PPA ILANIVATO: VOASAMBOTRA I LAVALOHA, ILAY MPANENDAKA MALAZA RATSY ENY AMIN’INY FARITRA ANOSIPATRANA INY

Ny herinandro lasa teo, dia voasambotry ny Polisy avy eo amin’ny Poste de Police Avancée Ilanivato I Lavaloha, izay mpanendaka diso fantatry ny mponina loatra eny amin’iny faritra Anosipatrana iny. -ny alin’ny zoma, 19 janoary 2018 tokony ho tamin’ny 09 ora dia lehilahy iray hamonjy fodiana eny Anosipatrana no niharan’ny asa fanendahana teny amin’ny làlana …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10211

Jan 29 2018

CSP6-AMBOHIMANARINA: LEHILAHY IRAY MPAMAKY TRANO NIFANEHITRA TAMIN’NY POLISY NANAO FISAFOANA, MPANENDAKA TENY AMIN’NY DIGUE VOASAMBOTRA REHEFA NIFANENJEHANA, ARY MPANGALATRA AUTORADIO IRAY TRA-TEHAKA TEO AMPANAOVANA NY ASA RATSINY

Lehilahy iray antsoina hoe Nidas, 27 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-6 etsy Ambohimanarina teny Andranomena ny Zoma, 19 janoary 2018 tokony tamin’ny 04 ora hariva rehefa avy namaky trano sy nangalatra teny ANOSISOA. Polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina no nifanehitra tamin’ity jiolahy ity, rehefa raikitra ny fifanenjehana dia voasambotra …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10206

Jan 27 2018

INSPECTEURS DE POLICE MIISA 100 TAMIN’NY ANDIANY ROVA IZAY NIVOAKA FARANY TEO NO NAHAZO FIOFANANA MOMBA NY « DIRECTION ET CONTROLE DES ENQUETES JUDICIAIRES »

Tsy mijanona amin’ny fampianarana any an-tsekoly ny fampiofanana ireo mpianatra ho Polisy izay nivoaka ny sekolim-pirenena, fa rehefa tafiditra amin’ny sehatry ny asa izy ireo, dia mitohy hatrany ny fanatevenana ny traik’efa sy ny fahaiza-manao mba ho mati-hanina tanteraka amin’ny fanatanterahana ny asa. Inspecteurs de Police miisa 100 avy amin’ny Andiany « ROVA » izay vao avy …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10224

Jan 26 2018

Ho fanamafisana ny traik’efa sy ho fanatsarana ny fahaiza-manao: 19 mianadahy avy eo anivon’ny polisim-pirenena no nahazo fiofanana manokana mahakasika ny « techniques d’enquete en matiere d’investigations financieres » izay notontosaina teny @ toeram-piofanana sy fikarohana etsy antanimora (Direction de la Formation Continue et de la Recherche)

Ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa eto anivon’ny Polisim-pirenena, dia nisy fiofanana mikasika ny « Techniques d’enquête en matière d’investigations financières », izay notontosaina tetsy amin’ny ivotoeram-piofanana ho an’ny Polisim-pirenena etsy Antanimora, nanomboka ny 15 Janoary 2018. Niisa 25 ireo nandray anjara tamin’izany ka (02) tamin’izy ireo avy eo anivon’ny BIANCO, (02) avy amin’ny SAMIFIN, (02) avy …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10199

Jan 25 2018

17 Taona Ny Zokiny Indrindra Ary 12 Taona Ny Zandriny Indrindra: Tovolahy Kely Efatra (4) No Nosamborin’ny Polisy Avy Ao Amin’ny Boriboritany Voalohany Amin’ny Resaka Famakiana Fiara Etsy Analakely

Tsy mifidy taona intsony ny fanaovana asa ratsy ary efa maro ny zaza tsy ampy taona no mirotsaka amin’ izany. Manoloana izany dia tsy mikely soroka ihany koa ny mpitandro ny filaminana misambotra sy mifehy azy ireny . Ny alakamisy 18 janoary 2018 teo no naharay fitarainana ny Polisy avy ao amin’ny boriboritany voalohany momba …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=10194

Articles plus anciens «