Archives de la Catégorie : Le Ministère

Août 08 2018

SARON’NY POLISIN’NY BORIBORITANY FAHADIMY ILAY LEHILAHY AVY ANY AMBOSITRA NITONDRA FITAOVAM-PIADIANA TOY NY PISTOLET SY BALA MAROMARO MIAMPY BASY LAVA ROA IZAY SAMY VITA GASY AVOKOA IREO FITAOVANA IREO.

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny boriborintany fahadimy ny andron’ny talata faha 31 jolay 2018 teo teny amin’ny fihantsonan’ny « Taxi brosse » eny amin’ny fasan-karana noho ny fitanana basy vita gasy tsy nahazoana alalana. Ao anatin’ny « opération d’harcèlements » izay ataon’ny Polisim-pirenena dia mivelatra amin’ny sehata maro ny andraikitra sahanin’izy …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11823

Août 07 2018

TRA-TEHAKY NY POLISIN’NY SUT TAMATAVE NY IRAY AMIN’IREO MPAMAKY FASANA SY MPIVAROTA TAOLAM-PATY. NY IRAY TAMIN’NY FIANAKAVIANA TOMPON’NY FASANA IHANY NO NANAMPY AZY NAMAKY NY FASANA IRAY TAO VATOMANDRY

Ny Zoma 27 jolay 2018 lasa teo dia voasambotry ny Polisin’ny SUT Tamatave teny amin’ny gare routière Ambolomadinika ny lehilahy iray mpamaky fasana ary tra-tehaka niaraka taminy ireo taolam-paty izay nangalariny. Tamin’ny fanadihadiana ity lehilahy ity no nahalalana fa mpanao ireny « lavanila sy jirofo » ireny no asany. Tsy nijanona tamin’io asa ataony io …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11820

Août 06 2018

FIARAHA-MIASA TEO AMIN’NY FOKONOLONA SY NY POLISY NO NAHAZOANA IRETO MPAMAKY TRANO TENY AMIN’NY FARITRY SABOTSY NAMEHANA .

Tovolahy miisa telo no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny « Commissariat Central » Sabotsy Namehana ny zoma faha 27 jolay 2018 lasa teo noho ny resaka vaky trano izay niseho teny amin’iny faritra iny andro visty lasa izay. Ny alakamisy 26 jolay dia nisy tovolahy telo lahy nihaodihaody tamina tokan-trano iray teny Sabotsy Namehana. Nahagaga ny …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11817

Août 06 2018

VOASAMBOTRY NY POLISIN’NY BORIBORITANY FAHATELO NY ROALAHY MPANAO HAIADY SADY MPANENDAKA ENY AMIN’NY FARITRA ANJANAHARY. MBOLA TRA-TEHAKA TEO AM-PIVAROTANA RONGONY IHANY KOA NY VEHIVAVY ROA TEO AMIN’NY MASCAR

Vehivavy miisa roa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ny sabotsy faha 28 jolay 2018 teo noho ny fitanana sy fivarotana rongony eny amin’ny faritra Andravoahangy.Izao vokatra izao no azo dia noho ny fiambenanana manokana nataon’ny Polisy ireo toerana heverina ho mafana eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny. Tamin’io …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11813

Juil 31 2018

OPERATION FORCE DE FRAPPE : TRA-TEHAKY NY USI (UNITE SPECIALISEE D’INTERVENTION) TEO AM-PANOMANANA NY ASA RATSINY IREO JIOLAHY MPANAO KIDNAPPING, MIISA FOLO (10) NO VOASAMBOTRA, ARY LAVO NANDRITRA NY FIFANDONANA KOSA NY ROA (02) TAMIN’IZY IREO, MBOLA NAHATRATRARANA FITAOVAM-PIADIANA MARO IHANY KOA TENY AMIN’IRETO JIOLAHY IRETO

Anisan’ny fanamby efa napetraky Ny Minisitry Ny Filaminam-bahoaka ny ady amin’ny asa fakàna an-keriny, ary tsy kobaka am-bava fotsiny ihany izany fa dia narahina vokatra azo tsapain-tanana. Ny herinandro lasa teo tokoa mantsy dia tra-tehaky ny vondrona manokana avy eto anivon’ny Polisim-pirenena (USI) na ny « Unité Spécialisée d’Intervention” ny andiana jiolahy miisa roa ambiny …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11798

Juil 31 2018

CSPD MANJA : DAHALO MIISA ROAPOLO (20) NIFANEHITRA TAMIN’NY POLISIN’NY KAOMISARIAN’NY MANJA ENIN-DAHY, TAFAVERINA TAMIN’NY TOMPONY NY OMBY MIISA 26 TAMIN’IREO 40 VERY, MBOLA MITOHY NY FANARAHAN-DIA

Ny andron’ny alarobia faha 25 ny volana Jolay teo tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro dia nisy dahalo miisa roapolo (20) nirongo basim-borona 05 nanafika tao amin’ny Fokontany iray antsoina hoe Betamenaky ao amin’ny Commune Rurale Ankiliabo Distrikan’ny Manja, ka omby miisa efapolo (40) no lasan’ireo dahalo nandritra izany fanafihana izany. Nandray andraikitra avy hatrany …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11794

Juil 26 2018

OPERATION D’HARCELEMENT-CSP7 : MPANENDAKA SY MPANAO SINTO-MAHERY ARY JIOLAHY IRAY NIARAKA TAMIN’NY BASY “PISTOLET AUTOMATIQUE” IRAY NO SARONA NANDRITRA NY FISAFOANA TENY AMIN’NY ARRET VATOBE, PARKING 67HA, ANDOHATAPENAKA, MADAHOTEL, SY NY FARITRA MANODIDINA

Ao anatin’ny hetsika “Operation d’harcelement” izay atao eny anivon’ny Kaomisaria manerana ny Nosy dia manao tohy vakana ny vokatra izay azo. Raha ho an’ny kaomisarian’ny Boriboritany faha-7 manokana, mpanendaka, mpanao sinto-mahery ary mpangaro-paosy amin’iny faritra 67Ha, Parking, Arrêt Vatobe, Madahotel, Andohatapenaka, sy ny manodidina iny no nanaovan’ny Polisin’ny CSP7 hazalambo. Voasambotra nandritra izany hetsika izany …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11786

Juil 25 2018

OPERATION D’HARCELEMENT-CSP3 : MITOHY HATRANY NY HAZALAMBO ATAON’NY POLISY, MPAMAKY TRANO MIISA TELO (03) NO INDRAY VOASAMBOTRY NY CSP3 ANTANINANDRO, ANISAN’IZANY I « LEGO » IZAY JIOLAHY RAINDAHINY AMIN’NY RESAKA VAKY TRANO ENY AMIN’INY FARITRA INY, MBOLA SARONA TENY AMINY NY ANTSY LAVA LELA IZAY FAMPIASANY

Ao anatin’ny fanatanterahana ny hetsika « Operation harcèlement » izay ataon’ny Kaomisaria rehetra manerana ny Nosy, dia misesy lany ireo vokatra azon’ny Polisim-pirenena. Raha ny avy eo anivon’ny Boriboritany faha-3 manokana dia mpamaky trano miisa telo (03) no tratra ambodiomby nandritra ny fisafoana tsy miato izay nataon’ny Polisin’Antaninandro. Anisan’ny voasambotra nandritra ny fifanjevona izay niseho …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11765

Juil 24 2018

« OPERATION FORCE DE FRAPPE » : VOASAMBOTRY NY « BRIGADE CRIMINELLE » NY EKIPAN’NY RASTA IZAY NANAO NY FANAFIHANA « CASHPOINT » TENY ANKAZOMANGA, SY NANAFIKA MAGAZAY IRAY SY TOKAN-TRANO IRAY TENY ANKADIFOTSY

Manoloana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia manatanteraka hetsika lehibe ny eto anivon’ny Polisim-pirenena ary mandray anjara feno amin’izany ny avy eo anivon’ny Sampana izay misahana ny ady amin’ny heloka bevava (Service Central des Affaires Criminelles). Misy noho izany ny « Opération Force de Frappe » izay atao eto anivon’ny « Direction de la Police …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11754

Juil 20 2018

VOASAMBOTRA TANY FOULPOINTE TAO AMIN’NY TRANO FANDRAISAM-BAHINY IRAY ILAY TOVOLAHY NAMOAHANA FILAZANA FAMPIKAROHANA

Tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana tany « Foulpointe » tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ilay tovolahy namoahana filazana fampikarohana. Marihina moa fa ity tovolahy ity dia karohina nohon’ny halatra vola mitentina “3000 euros” ary taorian’ny famoahana ny filazana fampikarohana mahakasika azy dia maro ihany koa ireo olona izay nilaza fa efa lasibatr’ity ranamana ity nohon’ny …

Lire la Suite »

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=11739

Articles plus anciens «